Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Kandida 3 hifaninana ho filoha


  • Zoma 22 Febroary 2019

Kandida miisa 3 no hifaninana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny oniversiten’Antananarivo hisolo ny Profesora Ramanoelina Panja, izay efa nahavita taom-piasana miisa roa.

 

 

Tsy iza ireo hiady io toerana io fa ny Profesora Ranarivony Richard avy ao amin'ny Fakioliten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siansan’ny maha olona na ny FLSH, izay efa lasa ALSH ankehitriny. Efa “Doyen” teo anivon’io Fakiolite io ny tenany.
Kandida ihany koa ny Profesora Samison Luc Hervé avy ao amin'ny Fakioliten’ny Fitsaboana, ary ny Profesora Ravelomanana Mamy avy ao amin'ny Fakioliten’ny EGS na Toekarena, Fitantanana ary ny Haifiarahamonina.
Hanomboka anio zoma 22 febroary ka hifarana ny 7 Martsa 2019 ny fampielezan-kevitra hataon'ireo kandida telo ireo. Hotanterahina ny 11 martsa manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 3 ora tolakandro  kosa ny fifidianana. 2.245 ireo mpifidy, ka ny 887 mpampianatra-mpikaroka raikitra, 1.358 mpandraharaha. Ho fantatra ny 11 martsa amin'ny 5 ora hariva ihany ny valim-pifidianana. Mandritra io fotoana io ihany koa no hifidianana ny Mpikamban’ny filankevi-pitantanana, Lehiben’ny Ivontoeram-pampianarana, Lehiben’ny lalam-piofanana,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT