Fampianarana

Oniversiten’Ankatso Lany vatsy ireo mpianatra avy any amin’ny faritra


  • Alarobia 01 Jona 2022

Nitaraina taty aminay filohan’ny mpianatra avy amin’ireo faritra ny mpianatra mpikaroka mpikambana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo teny Ankatso omaly.

Mangataka fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izahay noho izany, hoy ireto filohan’ny fikambanana ireto, mba hamaha ny olana. Matoky ny fahendren’ny tompon’andraikitra izahay mba hamaha ny olana misy ao anaty fotoana fohy izahay mba hialana amin’ny korontana lava miverimberina ety sy ny fahatapahan’ny fianarana. Sahirana izahay amin’ny fipetrahanay ety ary sahirana miheritreritra ny tokony atao izao. Te hanao zavatra hafa izahay saingy sahirana mandray fanapahan-kevitra satria lany vatsy. Andeha hody tsy fantatra raha hiverina tampoka ny fampianarana nefa lavitra no misy anay. Mba vahao re tompoko ny olanay fa sahirana izahay satria lany taona maro ihany koa ary ireo zandrinay vao afaka bakalorea sasa-miandry ao aoriana ao, hoy hatrany izy ireo .
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT