Fampianarana

Oniversiten'i Fianarantsoa Atsahatra 15 andro ny fampianarana


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Noho ny fanatanterahana ny Lalaon'ny Nosy eto Antananarivo, ary mba mba hahafahan'ireo mpianatra mandray anjara amin'ny

taranja sy hetsika samihafa mifandraika amin'izay, dia nanapa-kevitra hanatsahatra tanteraka ny fampianarana rehetra ao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny Filohan'ny oniversite any an-toerana, araka ny fanapahan-kevitra noraisiny ny herinandro lasa teo. Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka ny zoma25 aogositra izy ity. Nambara ihany koa moa fa mba hiantohana ny filaminan'ny fandraisana vatsim-pianarana. Fifandrifian-javatra ihany ve hoe: ny andron'ny nisian'ny grevy nangotraka teny Ankatso no nivoahan'ny fanapahan-kevitr? Ny SECES Sampana Fianarantsoa rahateo namoaka fanambarana ny 23 aogositra taorian'ny fivoriambe niarahan'ny Mpampianatra-Mpikaroka rehetra tsy an-kanavaka, fa hamafisina ny hetsika fitakiana manomboka ny herinandron'ny 28 aogositra 2023 izany hoe: manomboka anio ka hatsahatra avokoa ny asa fampianarana na “activités pédagogiques” rehetra (fampianarana, fanadinana, fanohanana ny vokam-pikarohana) sy ny asa fikarohana rehetra ao anivon'ny oniversiten'i Fianarantsoa. Nambaran'izy ireo fa hisy ny fihaonana sy fampahafantarana manokana hatao ho an'ny Mpianatra, hitondrana fanazavana fanampiny ho azy ireo. Ny mpianatra ihany koa efa manomboka sosotra eo anatrehan'ny fikatsoana lava. Iray andro taorian'ny fivoriana nataon'ny SECES no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny Filohan'ny oniversite. Tsy eto Antananarivo ihany no olana raha raisina amin'io fa ny any amin’ny oniversite hafa ihany koa. Ny eny Ankatso moa dia hitohy anio 28 aogositra ny “Sit-in” rah a ny nambaran’ny SECES Antananarivo. Fa inona marina ny sakana tsy hamahana ny olana? Mbola misy lanjany amin'ny fitondram-panjakana ve ny tontolon'ny fampianarana ? Hatao takalon'aina hatrany ve ny zanaky ny sarambabem-bahoaka ? Adino ve fa ny resaka fampianarana no nampipoaka ny raharaha 1972?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT