Oniversiten'Antananarivo

Namoaka tanora manampahaizana miisa 75 ny FLSH


  • Alatsinainy 15 Desambra 2025

Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy

ny zoma 12 Desambra 2025 ny andiany RANDRANA avy ao amin'ny fakiolte teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olana (FLSH) eny amin'ny oniversiten'Antananarivo Hita fa tena mbola maro ireo tanora no liana sy manaraka ireo lalam-piofanana eny ami.'ny FLSH ka miisa 75 no nahazo ny mari-pahaizana Licence.Isan' ireo Ray mpiahy ity andiany RANDRANA ity Atoa Tahina Razafinjoelina, filohan' ny Tia Tanindrazana izay fantatry ny rehetra ihany koa eo amin'ny sehatry ny fampianarana, indrindra fa ny tontolon'ny matematika.sy ny informatika. Nisolo-tena azy ny sekretera jeneralin' ny antoko, Andriamatoa Schall Ramanantsoa ka nitondra ny teny fisaorana ho an' ireo mpanabe namolavola sy nanabe ireto mpianatra ireto. Nampatsiahy ihany koa fa maha tafita ny.fianarana.ary mila.teknisiana sy manampahaizana amina.sehatra maro i Madagasikara Raha tsiahivina dia ny taona 2023 no nanomboka nianatra sy nanaraka ny karazana lalam-piofanana miisa 4 tao amin'ny zanan-tsehatra Malagasy teny amin'ny Oniversiten' Antananarivo ireto mpianatra ireto.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT