Fampianarana

Oniversiten’ Antananarivo Lany filoha ny Profesora Mamy Ravelomanana


  • Talata 12 Martsa 2019

Nahazo filoha vaovao sady tanora ny Oniversiten’Antananarivo. Voafidy hitantana izany ny Profesora Mamy Ravelomanana, mpahay toekarena sady anisan’ny mpikambana namorona ny faribolan’ny mpandalina ny hary eto Madagasikara (CREM).

 

 Fantatry ny maro ary indrindra ireo mpianatra toekarena ny amin’ny fahaiza-manao fahaiza-mampita ary  ny fahazotoan’ity mpampianatra toekarena ity. Ambetiteniny ny hoe hampihatra sy hampihavana ny zavatra azo amin’ny fikarohana sy ny fampianarana ambony ary ny fampandrosoana mifanaraka amin’izay eny amin’ny Oniversitan’Antananarivo. Nampiavaka azy ihany koa ny nilazany ny amin’ny tsy maintsy hitodihan’ny Oniversite amin’ny angovo azo havaozina ka tsy hiantehitra be intsony amin’ny JIRAMA rehefa izy no lany. Eo ihany koa ny fandriam-pahalemana eny amin’ny anjerimanontolo izay nanambarany fa hampiasana ireo teknolojia manaraka ny fandrosoana amin’izao fotoana izao. Teny filamatra nentiny moa ny hoe “ny marina, ny mangarahara, ny mampihavana”.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT