Fampianarana

Oniversite tojo olana isan-taona Miandry grevy foana ve vao hamoaka vola ?


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mandroso ireo dingana fikarakarana ny vatsim-pianarana volana faha-7, faha-8 ary faha-9, hoy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Tale misahana ny vatsim-pianarana

Andriambinintsoa Toky Herizo. Nialohan’ny fandraisana ireo mpianatra isan-tsokajiny sy ny fanazavana ary fidinana ifotony, raha ny fanazavana. Tsara ny mampahatsiahy fa nangotraka ny grevy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika eny Vontovorona ny herinandro lasa teo. Milaza moa io Minisitera io fa nahazo fankatoavana avokoa ireo fangatahana fahazoan-dàlana hampiasa volam-panjakana ho an’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, ka manatanteraka ny dingana manaraka dia ny “engagement” ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera. Nolazaina ihany koa fa efa tomombana avokoa ny dingana rehetra voafaritra ho tsy maintsy arahina amin’ny famoahana volam-panjakana. Nambara fa ho fanafainganana ny fizotran’ireo dingana rehetra ahatongavana amin’ny fizarana azy, dia efa nisy ny volavalonan-tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana narafitra ka hiandrasana fankatoavana ankehitriny. Mikasika ireo “réclamations” kosa, naneho fa tsy mandry andro tsy mandry alina ny tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana azy ireny miainga amin’ny lisitra avy amin’ny Oniversite,… Miandry izany indray izany ny mpianatra. Ny somary mahagaga hatrany dia ny hoe: angaha tsy efa ao anatin’ny fandaniana mahazatra sy tokony haloa ara-potoana hatrany ny vatsim-pianarana amin’ny maha “charge fixe” azy? Miandry grevy hatrany vao misy vahaolana? Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa efa ny martsa 2021 no nilaza ny Filoha Rajoelina no nilaza fa hivoaka ny afaka iray volana sy tapany ny “carte bancaire” ho an’ny mpianatra, tsy hisy olana intsony ny vatsim-pianarana fa handeha ho azy,… Aiza izany izao herintaona aty aoriana? Moa tsy ny vola mihitsy no olana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT