Fampianarana

Oniversite sy zaridaina lehibe eto Iarivo Ezahina asiana tambajotrana “internet”


  • Zoma 27 Jolay 2018

Nanomboka omaly ny fivoriambe iraisam-pirenena tsy ara-potoana, andiany fahadimy, mikasika ny Fiombonamben’ny paositra aty Afrika (Upap) ary haharitra roa andro.

Mikarakara ity hetsika ity ny Paositra Malagasy eo ambany fiahian`ny minisiteran`ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroborobona ny niomerika (MPTDN). Miisa 45 ireo firenena mpikambana ao amin`ny UPAP aty Afrika. Tanjona ny fanomanana ny atrikasa lehibe hatao any Addis Abbeba Etiopia, handinihana ny hamoahana ny fehezan-dalàna vaovao hanatsarana ny lafiny paositra aty Afrika. Tafiditra ao anatin`izany ny fitsipika anatiny ifampifehezan`ny mpikambana, mikasika ny vola, ny mpiasa… ary ny hampitoviana ny fomba fiasa hifanaraka amin`ny toetrandro, indrindra ny teknolojian`ny informatika. Raha nanontaniana ny fanambiny sy ny iraka nampiantsorohana azy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Maharante Jean de Dieu, dia nambarany fa tsy misitraka « internet » izany ny ankamaroan’ny Malagasy satria ny 3% any ho any hatreto no misitraka azy io, ka fanamby ny lehibe ny tsy maintsy hezahina sy hanaovana izay hahazoan’ny rehetra an’io. Ny hoe « nomerika ho an’ny rehetra» na ny « numérique pour tous » rahateo  no tetikasan’ny filoha, kanefa io iaraha-mahita io ny antontan’isa. Hisantarana izany, dia ezahina, ohatra, ny hametraka « borne wifi 4G» eny amin’ny oniversite ho an’ny mpianatra rehetra mba tsy handany vola izy. Tsy voatery eny ihany, fa amina toerana maro, toy ireo zaridaina lehibe misy eto Antananarivo, eny amin’ny fiara fitateram-bahoaka, ka ny zotra 119 no hisantarana azy io, ary mety hisy zotra hafa ihany koa. Ho an’ny faritany, toa an’i Toamasina sy Mahajanga dia eny amin’ny sisin-dranomasina fitsangantsanganan’ny olona sy eny amin’ny Araben’ny fahaleovantena,…

 

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT