Fampianarana

Oniversite polytekinika ISM Advancea Namoaka manam-pahaizana miisa 161


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Ny ankamaroan’ny tanora Malagasy nahavita ny fianarany teny anivon’ny

 

 

ambaratonga ambony dia sahirana amin’ny fitadiavana asa na misehatra amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny diplaomany.Tsy ho toa izany ireto andiany faha 11 nisalotra ny anarana « Amboara » izay vao avy nandrato ny fianarany tetsy amin’ny Institut Universitaire Polytechnique de Madagascar ISM Advancea Ambohijatovo ireto, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity oniversite tsy miankina mifantoka amin’ny politekinika ity. 161 mianadahy ireo notolorana diplaoma ara-panjakana ny sabotsy teo tetsy amin’ny complexe CNAPS Vontovorona. Ny 55 isa tamin’izy ireo no nahazo ny « diplome de technicien superieur » na DTS. 70 nahazo ny « licence » ary ny 39 nahazo ny mari-pahaizana « Master ».Samy nanana ny lalam-piofanana narahiny avy ireto mpianatra ireto ka mahafehy avokoa ny tontolo misy azy avy, hoy ny talen’ity oniversite ity, Mamy Rafalinirina. Nanana fotoana nanomanana ny tohan-keviny ireto mpianatra ireto nandritry ny fotoanan’ny fihibohana ka azo notsapain-tanana ny vokatra. Ny 9 martsa izao no hisy indray ny fidirana manaraka ahafahana manaraka ireo fiofanana ao amin’ny ISM Advancea Ambohijatovo saingy noferana ny toerana mba ahafahana mametraka ny kalitaon’ny fampihofanana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende : Teny Vontovorona ny sabotsy teo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT