ONIVERSITE-N’ANTANANARIVO

Tara raha oharina amin’ny oniversite any ivelany


  • Talata 11 Martsa 2025

Tena tara raha oharina amin’ireo karazana oniversite misy marobe any ivelany ny oniversite-n’Antananarivo.

Laharana faha-179 amin’ireo oniversite miisa 200 aty Afrika mantsy izy, izany hoe : oniversite miisa 21 sisa no aoriany dia tratra farany isika eto Madagasikara. Antony maro no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao toy ny resaka foto-drafitrasa izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy intsony. Eo ihany koa ny tsy fandraisan’ny fanjakana ny andraikiny araka ny tokony ho izy ka miteraka ny fitokonana matetika hataon’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ary manapaka lavareny ny asa fampianarana. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny kalitaon’ny fampianarana izay tokony hohatsaraina hatrany arahin’ny fisian’ny fitantanana mangaraharaha hataon’ireo tompon’andraikitra sy ny fampifandraisana ity oniversite iray ity amin’ireo oniversite maro any ivelany. Amin’ny ankapobeny dia saika milokaloka ny hanatanteraka ireo rehetra ireo avokoa izay Filohan’ny Oniversite voafidy sy mandray ny asa saingy ny eo ihany aloha hatreto no eo. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida hirotsaka hofidiana ho Filohan’ny oniversite-n’Antananarivo. Hifarana afaka rahampitso Alarobia 16 Febroary izany raha amin’ny datin’ny 14 Martsa kosa no hanaovana ny fifidianana.
Pati
Legende : Miandrandra mpitantana vaovao tena mahavita azy ny Oniversiten’Antananarivo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT