Oniversite ISFPS Leader

Namboly hazo teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy mitsahatra ny mandray anjara amin’ny famerenana

an’i Madagasikara ho maitso volo ny oniversite tsy miankina ISFPS Leader, tarihin’ny filoha tale jeneraliny Tsimiodrike Mahasoa. Solontenan’ny mpianatra am-polony no tonga nanatanteraka izany teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo ny zoma 15 martsa teo. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ity oniversite tsy miankina iray ity fa fampandraisana andraikitra ny mpianatra sahady izao nataon’izy ireo izao. Tanjony mantsy ny hametraka mpianatra hitantana ny anio sy rahampitso ao anatin’ilay fampandrosoana maharitra izay katsahin’ny rehetra. Karazan-kazo an-jatony nahitana ny vorongo, zanatany ary voamboana no novolena tamin’izany izay marihina fa teo ivelan’ny Rova. Nohararaotin’izy ireo ihany koa nandritra izany ny nampianatra ireo mpianatra ny tantaran’ity Rovan’Ambohidratrimo ity izay tafiditra ao anatin’ireo vohitra masina miisa 18. Anisan’ny manan-tantara mantsy izy no sady tafiditra anatin’ny vakoka nofaritana sy napetraky ny UNESCO. Notsindrian’ny tompon’andraikitry ny vakoka ao Ambohidratrimo moa fa teny ivelan’ny Rova no nanaovana izany fambolen-kazo izany. Ny hazo volena ao anaty rova mantsy hoy izy dia tsy maintsy fantatra mialoha miaraka amin’ny fotoana hanaovana azy . Olona fantatra ihany koa no manao azy. Notsindriany ihany koa fa tsy azo hiakaran’ny vahoaka fa olona voadio sy voafantina no mamboly izany hazo ao anaty Rova izany. Ho an’ny oniversite tsy miankina ISPFS Leader manokana dia fantatra fa tamin’ny taona 2010 izy no niorina teto Antananarivo ka anisan’ny ahitana azy ny etsy Tanjombato sy ao amin’ny 67 ha. Toraka izany koa ny any Antsirabe, Ihosy, Fort Dauphin, Mahajanga ary Toamasina. Mampianatra ho infirmiera sy mpampivelona izy ireo nefa mampianatra lalam-piofanana hafa ihany koa toy ny Science de la société, ny droit, ny gestion, ny informatika ary transit sy ny douane. Amin’ny datin’ny 11 Aprily ho avy izao indray ny fidirana manaraka ho an’ireo mpianatra mbola tara.
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ireo solontenan’ny mpianatra notronin’ny filoha tale jeneraliny Atoa Tsimiondrike Mahasoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT