Fampianarana

Oniversite Hanomboka ny 4 oktobra ny taom-pianarana vaovao


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Tsimbazaza ny fivorian’ireo filohan’ny oniversite sy ny tale jeneralin’ny IST

 na sampam-pianarana ambony momba ny tekinolojia ary ireo tomponandraikitra avy amin’ireo oniversitem-panjakana na CoPrIES, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Fivoriana nofaritan’ny lalana ho atao in-droa isan-taona moa izy ity, raha ny fampahatsiahivana. Ankoatra ny jery todika sy ny tsinjo ho avy momba ireo raharaha lehibe mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa dia anisan’ny nandrasana tamin’ity fihaonana an-tampony ity ny fotoana idirana eny amin’ny onivesite sy IST manerana ny nosy. Tapaka fa ny 4 oktobra izao hatramin’ny 10 novambra 2021 no hanombohana ny taom-pianarana 2021-2022. Hatao any Fianarantsoa ny 18 oktobra 2021 ny fanamarihana ofisialy ny fanombohan’ny taom-pianarana. Araka ny toromarika dia afaka mandray ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2020-2021 avokoa ireo oniversite sy sampam-pianarana ambony manana fahafahana hanao izany eo amin’ny fotodrafitrasa sy tolo-pampianarana. Noferana hatramin’ny 20 novambra izao ny fisoratana anarana. Nivoitra tamin’ity fivoriana ity koa ny resaka fifidianana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny oniversite sy ny IST izay ho tontosaina manomboka ny 10 janoary hatramin’ny 11 martsa 2022. Ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Assoumacou Elia Beatrice, moa no nitarika ny fivoriana, raha ny fampitam-baovao hatrany. Fanontaniana mipetraka etsy an-kilan’izay ny hoe efa tomombana indray ve izany ny resaka fampitaovana sy vatsim-pianaran’ireo mpianatra sa sanatria grevy avy hatrany indray no hanomboka izay taom-pianarana vaovao izay?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT