Fampianarana

Oniversite eto Madagasikara Hiroso amin` ny fanavaozana


  • Zoma 19 Jona 2020

Ho fanohizana ny fametrahana ny fenitry ny fanabeazana ho an’ny rehetra dia ezahina ny fanitarana ny fampianarana ambaratonga ambony mba hanantona hatrany ny vahoaka eny ifotony, hoy ny governemanta Malagasy.

 

 

 

 

 Ny taona 2019, oniversite taminà faritra maromaro no naorina. Amin’ity taona 2020 ity dia hotohizana ny asa fanapariahana ny fianarana ambaratonga ambony ka ny tanjona apetraka dia ny fananganana Oniversite efatra vaovao any Taolagnaro, Antsohihy, Sambava ary Maintirano. Hisy ihany koa ny fananganana ny trano fonenana sivy vaovao ho an’ny mpianatra. Hiroso ihany koa amin` ny fanarenana ny Campus eny Vontovorona. Hisy hatrany ny fampitaovana an` ireo fanorenana rehetra ireo sy ny sampandraharaha tena mila izany ihany koa. Ezahina ny hahatonga ny tanora Malagasy farany izay betsaka hiditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fampihenana ny elanelan’ny toeram-pianarana sy ny toeram-ponenana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT