ONIVERSITE BARIKADIMY

Mpianatra 3 mpanaparitaka rongony tratra


  • Alarobia 24 Aprily 2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

ka nandray ny andraikiny ny Polisy. Mbola teo am-pikirakirana sy am-pifohana ireto zava-mahadomelina ireto indrindra ny efa-dahy no tra-tehaky ny Polisy ny Alatsinainy 22 Aprily lasa teo. Mpianatra ao amin'ny anjery manontolo barikadimy ihany ny telo lahy tratra nandray ireo zava-mahadomelina ireo ary naman'izy ireo ny mpitondra TUC TUC iray. Rongony 5 sachet milanja eo amin'ny 1kg eo sy fonosana rongony miisa 17 no tratra tamin'ireto mpamatsy zava-mahadomelina ireto. Fantatra moa fa hamatsiany ireo mpianatra namany sy ireo olona manodidina izany rongony izany ary saika isan’andro izy ireo no manao izany. Ilay mpitondra TUC TUC mpitatitra raha anjaran’izy telolahy kosa ny mitsinjara izany.
Pati
Legende : Ireo rongony saron’ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT