Fampianarana

Oniversite An-dalana ny taona fotsy


  • Talata 14 Janoary 2020

Nandray fanapahan-kevitra ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo izay nivory omaly teny Ankatso satria efa akaiky ny 15 janoary

 

 

 

 izay fe-potoana nomen’ny filankevitra nasionalin’ny Seces eto Madagasikara mba hahazoana vahaolana mahafa-po sy azo tsapain-tanana amin’ny fitondram-panjakana. Nisy ny fihaonana in-dray mandeha tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian ary in-9 be izao tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony, Blanche Nirina Richard, hoy ny filohan’ny Seces Tana, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, kanefa hatreto dia zara raha nisy izay valiny mahafa-po sy azo tsapain-tanana izay. Misy ny filazana etsy sy eroa fa efa mivaha ny olana 6 amin’ny 7 kanefa hamafisina fa tsy marina izay filazana izay. Miantso ny filoham-pirenena izy ireo mba hamaha ny olan’ny Seces satria io vahaolana mahafa-po sy azo tsapain-tanana io ihany no ahafahan’izy ireo miverina amin’ny fampianarana hahafahany mitsinjo ny ho avin’ny tanora Malagasy. Ireo mpitondra hita fa tsy nahavaha olana kosa, hoy izy ireo, dia tsy tokony hisalasala hanala sy hanolo ny toeran’izy ireo ny filoha. Anjaran’ny fitondram-panjakana koa anefa raha toa ka te hanosika any amin’ny fisian’ilay mampatahotra anay ny hiteny azy hoe “Année “Blanche”. Izahay kosa hiteny hoe hihamafy ny tolona ary mametraka fa tsy maintsy tsinjovina ny ho avin’ny zanaka Malagasy satria vola be no lanin’ny ray aman-drenin’izy ireo hikarakarana azy, hoy hatrany ny Seces Tana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT