Fampianarana

Oniversite ACEEM Hampianatra ny fikajiana ny tontolo iainana


  • Zoma 17 Febroary 2017

Tsy afenina intsony fa tena tsy mitsaha-mitontongana ny fahasimban’ny tontolo iainana eto amintsika.

 Ankoatra ny loto miparitaka etsy sy eroa dia anisan’ny tena mampatahotra ny maro ny fandripahana tsy am-piheverana ny ala sy ny fanaovana doro tanety izay mamono tsikelikely ireo zava-manan’aina anaty nofon-tany miantoka ny famokarana. Mba ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana, indrindra ho fanabeazana ireo taranaka faramandimby dia fantatra fa hanokatra lalam-piofanana vaovao ( environnement et biodiversité)  mifandraika amin’izany ny Oniversite Aceem etsy Manakambahiny. Anisan’ny sekoly ambony mba manana ny maha izy azy ihany mantsy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny rektorany Ralaisoa Emile tamin’ny mpanao gazety omaly ka tsy afaka hitazam-potsiny ny loza mihatra ny firenena. Mpianatra mahay, tompon’andraikitra, manaja ny soatoavina, mahay mihaino ary mandray fanapahan-kevitra no vokarin’izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT