Fampianarana

Olan’ny vatsim-pianarana Mbola ampifanojoana indray hono ny lisitra e !


  • Zoma 31 Martsa 2023

Mbola tsy mety milamina ny dingana hoenti-mamoaka ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana.

Ny 28 martsa 2023 teo, namoaka tatitra ireo “Secrétaires Principaux” avy amin’ny sampam-pampianarana sy fanofanana miisa 10 (facultés, écoles, instituts) mikasika ny fikirakirana ny lisitry ny mpisitraka vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ka nilaza fa ny 17 martsa no natolotra ny mpitantana ny rindram-baiko na logiciel Edutic an’ny Minisitera mpiahy ny lisitra, mba hanaovana fanamarinana. Efa nankatoavin’ny Sekoly tsirairay tamin’ny alalan’ny kaomisionina nahitana ny Oniversite sy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony ary ny Paositra Malagasy) io, ary nosoniavin’ny mpikamban’ny Kaomisionina, raha ny fanamarihana. Ny Kaomisionina voalohany dia ny an’ny ESPA izay nosoniavina ny 8 martsa lasa teo. Ny sabotsy 25 martsa 2023 no naharaisan’ny sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo ny valin’ny fikirakirana avy amin’ny tompon’andraikitry ny Logiciel Edutic an’ny Minisitera mpiahy mba hanaovana fanamarihana avy amin’ny sampam-pampianarana na “scolarités” isan-tokony. Nambara indray tao anatin’ny tatitra, fa nahita tsy fifandrifiana ireo “scolarité” teo amin’ny lisitra efa nankatoavin’ny Kaomisionina niraisan’ny tokotelo ny 8 martsa sy ny 17 martsa izay naverin’ny 25 martsa, raha ny tatitra. Nambara noho izany fa misy ny fanintsiana tsy maintsy entina manoloana ny olan’ny tsy fifandrifiana teo amin’ny lisitra. Tanjona ny hisian’ny antoka farany mikasika ny fahamarinana marin-drano tsy misy diso eo amin’ny lisitra farany mialoan’ny famoahana ny tetieendro fandoavana ny vatsim-pianarana ao anatin’ny fotoana fohy. Raha tsiahivina, nilaza ny Talen’ny Vatsim-pianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony ny 22 martsa, fa tamin’io fotoana ny fotoana farany nomena mba hanomezan’ny oniversite ny lisitra, kanefa tsy mbola nisy nahatonga izany ny Oniversite, raha ny fanazavana tamin’io. Miankina amin’ny lisitra anefa ny fanaovana ny “engagement” raha ny nolazaina tamin’izany. Efa ela ihany izay resaka lisitra izay sy “engagement” izay no noresahina foana, saingy hatramin’izao toa mbola olana foana, ka efa fandrirarirana no andraisan’ny mpianatra azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT