Fampianarana

Olan’ny politeknika Nifampiraharaha ny mpianatra sy ny minisitera


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Nanatanteraka fihaonana tamin’ny minisitera ny mpianatra ao amin’ny Politeknika, Votovorana omaly talata 14 martsa 2023.

Mba amahana ny olana izay sedrain’ity toeram-pampianarana ambony ity ny antony izao fihaonana izao. Nifampidihan’izy ireo tao ny momba ny vatsim-pianarana izay efa nandrasan’izy ireo am-bolana maro. Ao ihany koa ny fanavaozana ny trano fonenan’ny mpianatra sy ny jiro izay efa an-dalam-panamboarana ary ny rano izay azo hifampiresahana amin’ny jirama. Nanamafy hatrany ny ministera fa azo atao tsara ny mifampiresaka amin’izy ireo , ary fifampidinihan’ny ray aman-dreny sy zanaka arahana anatra izany amin’ny mbola maha mpianatra azy ireo. Marihina moa ireo mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eny amin’ny politekinika, Vontovorana mivondrona ao amin’ny FMPA no nanatanteraka ny fifampidinihana. Niarahan’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantsa, tao aorian’ny filohan’ny mpianatra pedagojika eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Princh Lucas (Miza-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT