Fampianarana

Olan’ny fampianarana Malagasy Tokony hovahana ao anatin’ny hateloana, hoy ny ABA


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Ahiana hitatra ka ho lasa olana ara-tsosialy goavana, hanampy trotraka ny fifandroritana ara-politika eto amintsika ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra amin’izao fotoana.

 

Adidin’ny fanjakana misy ny misoroka izany dieny izao ho fitsinjovana ny fiainam-bahoaka, araka ny fanambaran’ny ABA  na « Antokom-Bahoaka Malagasy » tarihan-dRakotoson Herintsoa Dany teny Antsakaviro tamin’ny sabotsy teo.

Manery ny mpitondra hamaha ny olana mitarika ny fikatsoan’ny fampianarana any amin’ny sekolim-panjakana amin’izao ny ABA. Miteraka adim-piainana hafa ho an’ny vahoaka efa valalanin’ny fahasahiranana isan-karazany ny fampiatoan’ny mpampianatra ny asany noho ny fitaintainan’ny ray aman-dreny momba ny hoavin’ny taranany, hoy ity  filoha nasionalin’ny ABA ity nandritry ny fanehoan-kevitra an-gazety nataony. « Sakana ho an’ny fampandrosoana ny fikorontanan-tsaina mianjady amin’ny vahoaka ary adidin’izay mitondra ny manao izay tsy hisiany », hoy izy. Notsoriny fa mila vahana ao anatin’ny hateloana izao toe-draharaha ifandroritan’ny mpampianatra sy ny fanjakana izao raha tena mahafehy ny andraikiny ny ao amin’ny fitondrana. Mitera-pahavoazana ho an’ny maro an’isa ny fitokonana, araka ny fanambarany, ka tokony hiala ny mpitondra tsy afaka mamaha ny olan’ny vahoaka. Ohatra iray noraisiny hanehoana ny tsy fandehan’ny raharaham-pirenena intsony  ity fikatsoan’ny fampianarana ity ka notsindriany hatrany ny tokony hirosoana amin’ny fanovana amin’ny alalan’ny fifidianana ara-demokratika, hisian’ny traikefa vaovao handaminana izany.

 Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT