Fampianarana

Olana eny amin’ny oniversite Kianin’ny mpianatra tranainy ny fametrahana ny LMD


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Ny fitakian’ny mpianatry ny oniversite amin’izao dia vary mangatsiaka tohin’ny fametrahana ny rafitra LMD nanomboka ny taona 2012, hoy ny mpitarika ny tolon’ny mpianatra tamin’izany, Berija Ravelomanantsoa.

 Rafitra tokony ho vaovao io. Anisan’ny takian’ny mpianatra ny resaka connection satria hoe mihena ny fotoana ianarana any am-pianarana dia any amin’izay resaka izay izany no hanitarana ny fikarohana. Faharoa, mila fanavaozana ilay oniversite. Efa am-polony taona maro io tsy nisy fanavaozana. Miha maro ny mpianatra kanefa ny fotodrafitrasa miforona tsy ampy. Tsy any am-ponja izy ity ka hoe asisika anaty efitra iray daholo ny mpianatra, hoy hatrany i Berija. Efitra iray amin’izao iarahana mpianatra miisa 12 monina eny amin’ireo trano natokana ho an’ny mpianatra. Efa niteny izahay tamin’izany hoe mialoha ny hametrahana ity rafitra ity dia aiza ho aiza ny fepetra fanaraha-maso na ny antsoina hoe “mésure d’accompagnement” ? Ny valin-teny tamin’izany dia hoe mandeha miandalana. 2019 isika izao kanefa afaka samy milaza isika hoe nisy ve ny fiovana ? Tsy mazava hoe isaky ny inona no tokony hanomezana ny vatsim-pianarana sy fampitaovana ny mpianatra ary isaky ny inona izany no tokony hiova ? Tsy misy fitokonan’ny mpianatra tsy nialohavana fifampiresahana izany, hoy hatrany izy, fa tsy maintsy nandalo tany amin’ny minisitera tomponandraikitra aloha dia avy eo ny fiadidiana ny oniversite ka rehefa tsy mahomby ireo vao mamory ny mpianatra amin’ny alalan’ny A.G manontany izay tokony hatao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT