Olana eny amin’ny

anjerimanontolon’Ankatso Nanome 72ora ny mpianatra, grevy be amin’ny 10 jolay…


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Miverina indray ny fitakiana eny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo noho ny

olana maro izay ambaran’ny mpianatra fa mbola tsy mivaha. Nanome fe-potoana 72 ora ho an’ny tompon’andraikitra hamaliana ny fitakian’izy ireo momba ny famahana olana maro, indrindra ny famatsiana rano sy ny famerenana ny fifandraisana amin’ny « internet » ao amin’ny faritry ny anjerimanontolo ny mpianatra ny faran’ny herinandro teo. Mitarika izany ny fikambanan’ny mpianatra siantifika eto Antananarivo (FMSA) sy ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianaranamomba ny soratra sy ny siansa maha-olona (AEFLSH). Mangataka ihany koa izy ireo ny hamahana ny olana mikasika ny fandoavana ny vatsim-pianarana telo volana ary mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana enim-bolana mbola tsy voaloa. Nandrahona ny mpianatra fa hanao fitokonana goavana ny 10 jolay ho avy izao eny amin’ny Esplanade Ankatso, raha toa ka tsy mivaly ny fitakiana. Olana mandavan-taona ny eny amin’ny Anjerimanontolo, saingy matetika amin’ny alalan’ny fifampiasan-kery hatrany aloha no hitondrana azy, izay vao miakatra eny ambony latabatra sy hanaovana fampanantenana samihafa. Ao anatin’ny vanim-potoana tsy misy minisitra tompon-toerana ihany koa moa no miseho ny fitakiana satria nirotsaka ho kandida ny Minisitra, ary minisitra mitazona departemanta hafa no miandrakitra vonjimaika ny fampianarana ambony. Hisy ve ny vahaolana hivoaka ao anatin’izay fe-potoana izay sa dia hifanjevo any anaty grevy sy daroka lakrimozenina izay efa fahita sy mpiseho hatrizay ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT