Fampianarana

Ny Pr Ralaisoa Emile Tsy « recteur » ao amin’ny oniversite ACEEM intsony


  • Zoma 21 Desambra 2018

Araka ny resaka heno dia tsy “recteur”ao amin’ny onivesite Aceem intsony ny Pr Ralaisoa Emile.

 

 

 

 Naterin'ny mpisolovava ny vondrona Aceem niaraka tamin'ny filoha tale jeneralin’ity vondrona ity ny taratasy fanalana azy tamin'ity herinandro ity. Ny antony dia ny fandehanany hisotro ronono. Tsara anefa ny mampatsiahy fa izy no niaraka nanorina ny oniversite niaraka tamin'ny filoha tale jeneraly ary efa nisotro ronono izy tamin'izany fotoana. Araka ny lamina misy eny anivon'ny anjerimanontolo dia mbola afaka mampianatra ary afaka mitsara ny maripahaizaina doctorat i Pr Ralaisoa Emile. Tsara ihany koa ny manamarika fa « professeur émerite des universités et le plus ancien dans le grade le plus élevé » izy. Raha ny tsiliantsofina heno dia tsy nanaiky ny fanovana kasaina hatao ao amin'ny oniversite Aceem izy, satria dia manimba ny kalitaon'ny fampianarana omena ny mpianatra izany. Io no tena antony niatombohan'ny disadisa teo amin'ny mpitantana sy ny tompon'andraikitra ny fampianarana ity. Manontany tena ireo mpianatra, indrindra ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany ao ny amin'ny hoavin'izy ireo, indrindra ny amin'ny kalitaon'ny fampianarana izay ho azo ao manomboka izao satria nanana anjara toerana goavana tao ity mpampianatra mpikaroka niala ity.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT