Fampianarana

Nosokafana ofisialy ny taom-pianarana “Hivoaka ny karaman’ny PAT eny amin’ny Oniversite”


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alatsinainy18 oktobra tao amin'ny Oniversite Andrainjato Fianarantsoa ny taom-pianarana 2021-2022 ho an'ny oniversite manerana Nosy.

 Nandritra io no nilazan’ny Pr Assoumacou Elia Béatrice, Minisitry fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa fototra ianteheran'ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny fampianarana ambony ka adidin'ny rehetra ny miaro azy. Nambarany fa maro ny ezaka efa vita ho fanatsarana sy fampandrosoana, fa maro ihany koa ireo efa vita toy ny: Fivoahan’ny lalàna mifehy ny satan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra soa aman-tsara. Ny lalàna mifehy ny fizakan-tenan'ny oniversite sy ny sampam-pampianarana ambony sy fikarohana kosa dia efa eo am-piandrasana ny fandaniana azy eo anivon’ny Antenimierandoholona. Tontosa ny famolavolana ny famoahana ireo andiany voalohany tamin'ny CNH na « Commission Nationale d'habilitation », ka maherin'ny 100 ny antotan-taratasy nahazo fankatoavana ary mbola hisy ny andiany faharoa mialoha ny faran'ny taona. Nisy ny fanaovazana sy fivoahan'ny didim-panjakana momba ny « Habilitation à Diriger des Recherches » na HDR. Nohatsaraina ny didim-panjakana mahakasika ny tambin-karaman'ireo mpanomana na mpamolavola ny laza adina bakalorea, ka niakatra avo roa heny. Nahazo fankatoavana avokoa ny 47 tamin'ireo 52 nangatahana « dérogation de maintien ». Vita 100% ny « reclassement » izay hiakaran'ny mpampianatra laharana ambony hatrany. Mpampianatra sy mpandraharaha 100 no noraisina. Mitohy ny ezaka ka mbola nahazo « poste budgétaire” 100 indray ny minisitera, hoy ny tatitra. Noraisina ho mpiasa raikitra ireo ECD ary mitohy ny fitsinjovana ireo mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra.

Momba ny olana misy, nilaza ny minisitra omaly teny amin’ny Antenimieram-pirenena, fa efa nankatoavan’ny filankevitry ny governemanta ny tolo-dalàna fanitsiana ny “indemnité de technicité” ho an’ny mpandraharahan’ny Oniverstite, ka hiaraha-midinika amin’ny fitsarana misahana ny vola ny fanitsiana ireo tambi-karama isan-tsokajiny. Efa vita ihany koa ny karaman’ny mpandraharaha, ary hatao tsy ho ela ny fandoavana. Tsy afaka manome tetiandro kosa ny ministera satria miankina amin’ny “contrôle financier” ny pitso[pitsony amin’ny famoahana, hoy izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT