Fampianarana

Nokleary sy ny lanjany ara-pampandrosoana Miara-miasa amin’ny AIEA i Madagasikara


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Nisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « E-journées nucléaires virtuelle » ny INSTN (Institut National des Sciences et Techniques Nucléaire).

 Hetsika ara-tsiantifika ho an’ny tontolon’ny nokleary izy io, nosokafana tamin’ny alalan’ny « visio-conférence » ny 8 oktobra teo, ka teny Fiadanana no nanaovana izany ho an’ny teto amintsika, nampitondraina ny lohahevitra hoe : “La contribution de la technologie nucléaire à la lutte contre les maladies zoonotiques émergentes et ré-emergentes (Covid19), le Kere, le changement climatique et l'instabilité énergétique à Madagascar". Tamin’ity taona ity moa, dia toerana telo no nizoran’izany : Madagasikara, Afrika Atsimo, ary tany Vienne izay misy ny Foiben’ny AIEA (Agence Intenationale de l’Energie Atomique), izay nikarakara ny hetsika. Marihina fa nanombooka ny 1976 isika no mpikamban’ny AIEA. Sehatra maro no niompanan’ny lohahevitra toy ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampiasana ny radiothérapie amin’ny fitsaboana ny homamiadana ; ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboana ny zezika ; ny rano amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny mety ho fandotoana ; ny harena an-kibon’ny tany sy ny fepetra arahana eo anoloan’ny taratra mety hampidi-doza ; ny fambolena amin’ny alalan’ny fampivoarana ny famokarana ary eo ihany koa ny fahasalaman’ny biby,… Nandritra ny fanokafana ofisialy, nanipika ny maha zava-dehibe ny nokleary amin’ny fampandrosoana firenena iray ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia ny programam-pirenena mandritra ny 5 taona iaraha-miasa ara-teknika sy vatsian’ny AIEA. Tao anatin’ny 64 taona nisiany, nitondra ny anjara birikiny tamin’ny famahana olana mikasika ny maha olona hatrany ny AIEA. Nandray anjara tamin’ny famelabelarana ny ivon-toerana nasionaly maromaro : IMVAVET (L'Institut Malgache des Vaccins Vétérinaires) ; FOFIFA (Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural), CNRIT (Centre National de Recherches Industrielle et Technologique.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT