Fampianarana

Noho ny rivodoza Miato ny fampianarana manomboka rahampitso


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

48 ora mialohan'ny 5 febroary 2022 tombanana hidiran'ny rivodoza Batsirai, nandray fepetra sy toromarika niainga tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Fanjakana.

Antony ny fiomanana sy fisorahana. Nivahiny tao amin'ny fahitalavim-pirenena TVM ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Atoa Pierre Houlder omaly alina, nitondra ny toromariky ny Filoham-pirenena ny handraisana ny fepetra rehetra hiarovana ny ain'ny Mponina. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra fa: Tsy mianatra ny mpianatra rehetra manerana an'i Madagasikara manomboka ny zoma izao. Ireo mpiasam-panjakana ao amin'ny faritra mena na "Zone Rouge" rehetra dia tsy miasa iany koa manomboka amin'ny Zoma. Ny mpiasa amin'ny orin'asa tsy miankina (privée) amin'ireo "zone rouge" dia tsy miasa saingy ankinina amin'ny mpitantana sy tompona orin'asa ny fandaminana izay sokajina mpiasa tsy maintsy hiasa ho fampandehanana ny orin'asa. Manomboka izao ny rehetra dia miomana, hoy ny toromarika. Nanentana ireo olona amin'ny faritra iva sy ireo mety hisy tany hihotsaka mba handray fepetra io Minisitra io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT