Nisy fitokanana tamin’ny fiandohan’ny herinandro tao amin’ny ENS Toamasina,
izay zandriny indrindra amin’ireo Écoles Normales Supérieures eto Madagasikara. Na izany aza, efa nahavita namoaka andiany voalohany amin’ny mari-pahaizana Master. An-jatony ireo mpianatra nahavita fanohanana, ka ahitana mpianatra amin’ny taranja Anglisy (4), Frantsay (5), Histoire-Géographie (30), Malagasy (9), Mathématiques-Informatique (5), Philosophie (15), Physique-Chimie (5), Sciences de l’éducation (60), ary Sciences économiques et sociales (5) ny andiany voalohany. Nipoitra anefa ny fitokonana izay voalaza fa noho ny fahataran’ny fivoahan’ny diplaoma, na dia maro amin’ireo mpianatra aza no efa mahita asa taorian’ny fanohanana, endrika iray maneho fa ahitana làlana sy ilain’ny tontolon’ny asa izany ny fanofanana. Rehefa nanontaniana kosa ny ENS Toamasina, dia nanazava fa misy dingana ara-dalàna sy fepetra tsy maintsy arahina ny famoahana ny diplaoma: fanintsiana anatin’ny iray volana miainga amin’ny toromarika na « recommandations » avy amin’ny vondron’ny mpitsara (membre des jurys) nandritra ny fanohanana (soutenance), fankatoavana avy amin’ireo “jury” miisa telo ny fanintsiana, fametrahana ny boky “version finale” ao amin’ny tranombokin’ny oniversite ahazoana ny « quitus » hahafahana manao fangatahana diplaoma amin’ny Fiadidian’ny Oniversite. Voalaza fa tsy nanao izany avy hatrany ny ankamaroan’ny mpianatra, ka vao tamin’ny volana febroary 2025 no nisy fangatahana voalohany, na dia desambra 2024 aza no vita ny fanohanana. Nizara ho “vague” telo ireo fangatahana: 45 tamin’ny voalohany, 17 tamin’ny faharoa, ary 25 tamin’ny fahatelo. Nampahatsiahy ny ENS Toamasina fa tsy andraikiny irery ny famoahana diplaoma, fa miankina amin’ny fahavitan’ny dingana rehetra. Na izany aza, efa diplaoma 45 no nosoniavin’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina tato anatin’ny fotoana fohy, raha ny vaovao azo. Ho fanamorana ny fizotry ny fangatahana, dia notsiahivina ny saran’ny dingana: 5 000 Ar ho an’ny tranomboky, 20 000 Ar ho an’ny “carton” amin’ny BFV-SG, ary 100 000 Ar ho an’ny diplaoma amin’ny BMOI. Nanipika ny ENS fa vokatry ny tsy fahafantarana ny dingana ara-dalàna no isan’ny olana.
AMIN’NY OKTOBRA NY FIFANINANA HIDIRANA TAONA VOALOHANY
Eo amin’ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, dia hotanterahina ny 27–28 Oktobra 2025 ny fifaninanana hidirana ho L1 ao amin’ny ENS Toamasina. Misokatra amin’ny sokajin’ny bakalorea rehetra ny taranja Frantsay, Anglisy, Malagasy, sy Siansan’ny Fampianarana. Natokana ho an’ny A1, A2, D ny Philosophie, Histoire-Géographie, ary Éducation à la citoyenneté. Ho an’ny S, C, D, FTG Génie civil sy industriel kosa ny Physique-Chimie, Mathématiques, Informatique. Misokatra ho an’ny C, D, sy Teknika ny Sciences de gestion, économiques et sociales. Hifarana amin’ny 24 Oktobra ny fandraisana antontan-taratasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.