Fampianarana

Nihamafy ny grevin’ny SECES “Ho taona fotsy rehefa tsy handray andraikitra ny Fanjakana…”


  • Talata 22 Aogositra 2023

Niditra tamin’ny fitokonana mahery vaika kokoa ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo omaly.

Niroso tamin’ny fitokanana faobe, ka nanakana ny làlana mivoaka sy miditra ny oniversiten’Antananarivo. Voabahana avokoa ny fiara rehetra na ny nikasa hiditra tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, na ireo nanan-draharaha tao anatiny, izay tsy afaka nivoaka. Nirantiranty ny sora-baventy maro samihafa nandritra ny fibahanana ny vavahadin’ny oniversite. Milaza ity Sendika ity, fa tsy mitsahatra ny fitokonana raha tsy mivaly avokoa ny fitakiana rehetra. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny takian’izy ireo ny fandoavana ny ora fanampiny efa hatrany amin’ny taona 2018 sy ny zo samihafa mbola tsy voahefan’ny Fanjakana. “Nisy ny fihaonana saika isan-kerinandro, saingy tsy nisy vahaolana. Mikatso tanteraka ny fampianarana. Tsy antony avy aminay, fa antony avy amin’ny Fitondram-panjakana, raha sanatria tonga amin’ny taona fotsy. Efa tany amin’ny aprily no efa nisy grevy. Tsy azo ampanaovina fanadinana satria tsy nisy fampianarana. Mety hiteraka zava-doza satria ahiana mihitsy ny hisian’ny taona fotsy”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SECES Antananarivo. Voalaza fa nanomboka ny 2018 dia efa nisy ihany koa ireo mpampianatra mpanampy na “vacataires” tsy nandray ny tambin-karamany, ka miantso ny handoavana izany. Hiditra tsy ho ela amin’ny taona fotsy na « année blanche » ny Oniversiten’Antananarivo, raha mitohy ny tsy fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny SECES Sampana Antananarivo. Hanao fivoriam-be izy ireo ny zoma izao ka asa indray izay ho tohiny? Tsara ny mampahatsiahy, fa efa tonga hatrany amin’ny fanaterana taratasy miantefa amin’ny Filohan’ny Repoblika ny fitakian’ny SECES Antananarivo. Hatramin’izao anefa, dia mbola io iaraha-mahita io ny zava-misy. Avy aiza marina ny lesoka? Iza no tompon’andraikitra feno sy sakana ao anatin’izany? Iza no minia manao bemarenina? Inona marina no tsy handoavana ny volan’ireo mpampianatra? Efa am-bolana vitsivitsy izao no nandeha ny fitakian’ny SECES, nikatso tanteraka ny fampianarana, saingy tsy maharototra ny mpitondra Fanjakana ambony raha raisina amin’izany. Mandeha ny fifampiampangana fa misy ambadika politika ny fitakiana sy fampikatsoana ny fampianarana, saingy inona no tsy handraisan’ny Fanjakana fepetra sy hamahana ny olana mba hampilamina ny raharaha? Miharihary fa ny endrika ivelany no mahamaika ny Fanjakana, tsy dia omen-danja ny fotodrafitr’olona, ary atao ambanin-javatra ny tontolon’ny fampianarana, atao sorona ny zanaka Malagasy,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT