Napetraka ny vato fototry ny lisea

Ambohibao Antehiroka «


  • Zoma 21 Novambra 2025

Tsy afaka handroso ny firenena feno vahoaka bado !»

Tontosa omaly tetsy amin’ny tokontanin’ny EPP Ambohibao Antehiroka, ny fametrahana ny vato fototra ho fananganana ny lisea eny an-toerana. Miisa 400 isan-taona eo, hoy ny fanazavàna, ny mpianatra afaka BEPC ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ary sahirana mitady izay ahafahany manohy ny fianarany noho ny tsy fisian’ny lisea ao an-toerana. Ny fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ireo olo-masin’ny andron’ny andro farany no niara-niombon’antoka amin’ny tetikasa ary efa nanolotra solosaina miisa 3 sy «imprimante» na fikirakiràna tahirin-kevitra sahady izy ireo ho ampiasain’ireo mpandraharaha eo anivon’izany lisea izany. Lisea ahitàna efitrano fianarana miisa 18 izany, raha ny fanazavàna hatrany. Tokony hahazaka mpianatra miisa 1000 eo ity tetikasa haharitra 6 volana ity. Efa natao ny ezaka rehetra nitadiavana toerana ahafahana manorina izany lisea izany, ankoatran’ny ao anatin’ny EPP na ny sekolim-panjakàna, hoy ny sefo CISCO ao Ambohidratrimo saingy ity toerana ity no manaraka indrindra ny fenitra ilaina. Tsy marina, hoy izy, ny filazàna fa ho ravàna ny EPP fa fanatsaràna aza no atao. Toy izany koa ny fanatsaràna ny toeram-pisakafoan’ny mpianatra na «cantine» sy ny biraon’ireo mpanabe. Tsy hanomboka ny tetikasa mahakasika ny lisea raha tsy vita izany fanatsaràna rehetra izany. Hisokatra amin’ny septambra 2026 ny lisea ho fikatsahana ny tombontsoan’ny zaza malagasy. Hisy ny fefy manasaraka ny EPP sy Lisea ka ny mpianatry ny EPP avy any amin’ny vavahady ambany no miditra raha toa ka avy any amin’ny vavahady ambony ny mpianatry ny lisea, hoy hatrany izy. Tsy afaka ny handroso tsinona ny firenena feno vahoaka bado, hoy kosa ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo, ka izany indrindra no anton’izao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT