Fampianarana

Nantenaina Rakotonirina Tovolahy zandriny indrindra hiatrika ny bakalorea ao Toamasina


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Nantenaina Rakotonirina, tovolahy kely vao 13 taona monja no fantatra fa zandriny indrindra hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea ao Toamasina.

Tonga nanatrika ny « cours d'appui » avy amin'ny Ben'ny tanàna izy ny faran’ny herinandro teo, hetsika natao tao amin’ny CEG Ratsimilaho. Raha tsiahivina kely dia marobe ireo mpiadina namaly ny antso sy nisoratra anarana tamin’izany izay haharitra iray volana .Notolorana kahie sy penina ihany koa izy ireo. Tsiahivina fa ny sokajy A sy ny sokajy D no omena cours maimaim-poana ka ireo taranja fototra no hanaovana fanazaran-tena amin'izany toy ny malagasy, ny tantara sy jeografia , ny filozofia. Ny taranja frantsay kosa no hanampiana ireo ao amin’ny sokajy A . Ny taranja matematika,fizika,SVT kosa ny an'ny sokajy D .
Pati
Legende : Ny tovolahy nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony nisaotra ny Ben’ny tanàna
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT