Fampianarana

Mpitsabo mpanampy sy mpampivelona Lalam-piofanana tena mahaliana ny tanora


  • Talata 17 Aprily 2018

Anisan’ny lalam-piofanana tena mahaliana ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea ankehitriny ny fianarana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona.

 

 Noho ireo lalam-piofanana ireo mora ahitana asa no anton’izany, tsy voatery hanao asam-panjakana ihany koa fa afaka manokatra cabinet ho an’ny tenany manokana.  Ho an’ny sekoly ambony ISFPS Leader etsy amin’ny 67 ha manokana ohatra dia ny 90 %-n’ireo mpianatra tonga manovo fahalalana ao no misafidy io lalam-piofanana io, raha araka ny fanazavan’i Tsimiondrike Mahasoa, filoha tale jeneralin’ny sekoly. Mandritra ny telo taona no mianatra ho mpitsabo mpanampy na mpampivelona ao amin’izy ireo ny mpianatra iray,  manao fianarana asa efa-bolana ao amin’ny taona voalohany, efa-bolana ihany koa ao amin’ny taona faharoa raha dimy volana ao amin’ny taona fahatelo farany.  Mahazo ny mari-pahaizana licence ny mpianatra iray aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Ny 07 mey ho avy izao indray moa no fidirana manaraka ho an’ity sekoly ambony iray ity raha toraka izany ihany koa ho an’ireo lalam-piofanana hafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT