Mpitari-tolon’ny SECES

Nangatahan’ny prezidansa ho tapahana karama


  • Talata 14 Novambra 2023

Nangatahan’ny prezidansy na fiadidiana ny repoblika malagasy, tarihin’ny filoha mpisolo toerana, ny Jeneraly Richard Ravalomanana,

ho tapahana karama ireo mpitari-tolona eo anivon’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Voatonona manokana ao anatin’ny taratasy mirakitra izany mihitsy moa ny anaran’ny filohan’ny SECES Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Efa maherin’ny 4 volana, hoy ny voalaza, no efa nikatso ny fampianarana sy fikarohana teny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana ary mampanahy ny amin’ny hitaran’izany ho hetsika manohintohina ny filaminam-bahoaka satria dia efa manao ny hetsiny koa ankehitriny ireo mpianatra. Fitakiana fikaonan-doham-pirenena izany efa fitakiana politika tanteraka izay tohanan’ireo mpanohitra ny fitondrana, hoy hatrany ny voarakitra ao anatin’ity taratasy avy amin’ny fiadidiana ny repoblika nantefany tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ity. Tetsy ankilany moa dia niantso ny amin’ny hiverenan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra handray ny asany ny minisitera tomponandraikitr’izy ireo mba tsy handraisana fepetra mifandraika amin’ny zava-misy. Misokatra mandrakariva amin’ny fifampiresahana ny minisitera, hoy hatrany ny voambara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT