Mpisehatra mivantana amin’ny fampianarana

«Vonjeo fa tena mijaly ny fampianarana!»


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Nanao fanambaràna iraisana tetsy amin’ny Arupe Faravohitra omaly ireo olompirenena misehatra

mivantana amin’ny fampianarana izay ahitana mpampianatra, talen-tsekoly, tompona sekoly, sendikan’ny mpampianatra ao amin’ny fanjakana na tsy miankina. Misy ireo am-perinasa. Misy ireo misotro ronono. Manao antsoavo, mihikahika izahay, hoy izy ireo, satria mila vonjy ny fampianarana, izay mijaly, atao ambanin-javatra, atao sorona, atao takalon’aina. Io nefa no antoka voalohan’ny fampandrosoam-pirenena. Hitanay matihanina ao amin’io sehatra io fa mitotongana hatrany izany fampianarana izany. Mila ifandrimbonana ny manarina azy mba ho mendrika ny zaza malagasy rehetra manerana ny nosy. Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ry Ray aman-dreny, ry mpampianatra sy mpitantana sekoly, ry mpianatra andao hiaraka hanarina ny fampianarana izay antoky ny hoavy, hoy hatrany ireto mpisehatra nivondrona anaty vovonana antsoina hoe «Vonjeo ny fampianarana!» ireto. Nilaza moa izy ireo fa hitohy tsy ho ela ny hetsik’izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT