Fampianarana

Mpiofana ara-kasa ahazoana CAP-S Noferana ho 15 isa isaky ny fiofanana


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Nampahafantarina tetsy amin’ny lisea tekinika sy arak’asa sy jenia sivily etsy Mahamasina ny fisokafan’ny fampiofanana miisa 2 ao amin’ny LTPGC amin’ity taona ity. Eo ny CAP-S,

 izay sertifika fampianarana fototra amin’ny sehatry ny resaka taotrano ary hiofanana mandritry ny 2 taona ny fahazoana azy. Ny 3 septambra izao no handraisana farany ny dosie ho an’izay liana amin’ity fiofanana ara-kasa ity. Ny 14 sy 15 septambra kosa ny fifaninanana hidirana amin’izany. Izay afaka amin’io dia mbola manao fifanakalozana na “entretien” amin’ireo tomponandraikitry ny fiofanana. Miisa 15 isaky ny lalam-piofanana ihany tsinona no raisina mba ho mpiofana tena vonona ho any amin’ny sehatr’asa avy hatrany avy eo fa tsy hanidintsidina fotsiny. Ny lalam-piofanana faharoa moa dia ho an’ny “cycle de téchnicien supperieur” na tekinisianina ambony, izany hoe natao ho an’ny olona manana bakalorea ny fifaninanana hidirana aminy, raha toa ka BEPC na fari-pahaizana kilasy fahatelo ny CAP-S. Ny 17 septambra indray no fandraisana dosie farany momba azy io satria 23 septambra ny fifaninanana ary voafetra ny toerana. Mianatra mandritry ny 2 taona koa izy dia mahazo ny diplaoma DTS avy eo. Resaka taotrano hatrany no resaka eto saingy efa sady mirona amin’ny asa vaventy na BTP. Ny 70%n’ny fiofanana atao hahazoana ny CAP-S dia fampiharana avokoa ary mifanakaiky amin’izay koa ilay faharoa mba hahafahan’ireo avy miofana hiatrika asa avy hatrany. 10 taona teo izao no nisian’ny fiofanana hahazoana DTS teto fa ny CAP-S kosa dia vao namoahana andiany iray tamin’ny taon-dasa. Nitombo ny fitaovana sy fampitaovana rehetra enti-mampiofana tamin’ity taona ity noho ny fahamatoram-piaraha-miasa mivelatra amina mpiara-miombon’antoka isan-karazany eto an-toerana sy any ivelany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT