Fampianarana

Mpilatro sy mpanjaitra lamaody mendrika Hikarakara fifaninana ny ECCOVA


  • Talata 05 Martsa 2019

Mba ho fampiroboroboana ny vita Malagasy sy hanomezan-danja ny sehatry ny lamaody dia hikarakara fifaninana ho an’ireo mpampilatro sy mpanjaitra lamaody manerana ny nosy ny « Ecole de Coupe et Couture Volana ».

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana  ny faha-25 taona nijoroan’ny ECCOVA izany ka ny tanjona dia ny hahafahana mamoaka ireo olona tena manan-talenta eo amin’ny asa famoronana lamaody mba tsy ho latsa-danja amin’ny any ivelany isika.  Efa afaka manoratra anarana sahady eny amin’ny Eccova ireo vonona ny handray anjara amin’izany raha ny fantatra. Amin’ny 28 jona  ho avy izao fotoana hanatanterahana ny ivon’ny fankalazana  no hanolorana ny loka ho an’ireo izay mendrika indrindra amin’izany. Tsangambaton’ity faha-25 taona ity kosa moa ny fanokafana ny Eccova  Ambatondrazaka sy ny ivon-toerana fanampiny iray ao Toamasina. Ny 15 sy ny 16 mey ho avy izao kosa no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana ho an’ireo mpianatra andiany manaraka hafa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT