Fampianarana

Mpianatry ny U-magis St Michel Amparibe Mikarakara fifaninanana dihy maoderina


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Mikarakara hetsika fifaninanana dihy maoderina ireo mpianatra eo anivon’ny U-magis St Michel Amparibe, ao anatin’ny Samis Esic.

Nambaran-dRandrianarisoa Tyffany Karine, isan’ireo mpianatra mpikarakara, fa ny alarobia 22 febroary izao, amin’ny 1 ora sasany, no hanatontosana ny hetsika dingan’ny fifanintsanana ho an’ireo karazana dihy hifaninanana, izay hatao ao amin’ny Amphithéâtre Amparibe. Isan’ireo dihy hanaovana fifaninanana ny « Billy dance », « Hip Hop », « Krump », « dancehall », « danse sportive », « afro », « danse de salon » sy ny maro hafa . Ireo tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 28 taona no tiliana handray anjara, hoy izy. Somary efa antomotra ny fotoana hanatontosana ny fifaninanana, na izany aza, efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny St Michel Amparibe na ao amin’ny Pejin’ny Esic Event ao amin’ny tambajotra sosialy Facebook, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT