Fampianarana

Mpianatry ny Politeknika nosamborina «Bourse » no notakiana, sazy mihantona 1 hetsy Ar no azo


  • Zoma 25 Martsa 2022

Efa nilamindamina ny raharaha famoahana ny vatsim-pianarana mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, taorian’ny fitakiana mahery vaika teny amin’ny politeknika Vontovorona herinandro mahery izay ka nisy mpianatra roa

 voasambotra mihitsy, teny amin’ny Oniveriten’Antananarivo ny herinandro lasa teo, nitohy tany Mahajanga sy Fianarantsoa. Niakatra fitsarana mihitsy ireo mpitarika roa mpianatra voasambotra teny Vontovorona izay fandratrana mpitandro ny filaminana no nambara fa vesatra. Namoahana sazy mihantona fandoavana lamandy iray hetsy ariary avy. Toa karazana hetsika fampihorohoroana ireo mpitarika sy ireo mpianatra manao fitakiana. Vatsim-pianarana izany no notakiana tamin’ity indray mitoraka ity, kinanjo sazy mihantona fandoavana onitra no azo. Handray ny vatsim-pianarana manomboka anio ny eny amin’ity Sekoly ambony ity. Hiravona hatreo noho ny “digitalisation” ve ny resaka fitakiana noho ny fahataran’ny vatsim-pianarana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT