Fampianarana

Mpianatry ny ITU, taona fahatelo Efa nahatsangana orinasa sahady izy 5 mianadahy


  • Zoma 19 Mey 2023

Samy taona fahatelo ao amin’ny IT University etsy Andoharanofotsy, izay oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana ato anatin’ny vondron’orinasa Vidy varotra,

ary miompana amin’ny fampianarana sy fikarohana momba ny informatika sy tekinolojia vaovao. Efa nahatsangana orinasa sahady ny anao lahy, raha ny fampitam-baovao voaray nandritry ny foara iraisampirenen’i Madagasikara na FIM andiany faha 17 natao tetsy amin’ny Expo Forello Tanjombato teo. Kante Co moa no anarana nampisaloran’izy ireo izay orinasa natsangan’izy ireo voalohany izay ary niaraha-namolavola tamin’ny NextA, izay anatin’ny vondron’orinasa Axian. Mazava ho azy fa tolotra mifototra amin’ny resaka nomerika no iompanan’ny orinasa ary tanjona moa, hoy izy ireo, ny hahatonga ny hairaha vaovao na «digitalisation» ho eny an-tanan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Na eo amin’ny resaka tranokalam-pifandraisana na web izany na ny resaka finday avo lenta na ny resaka solosaina sy ny ankoatran’ireo rehetra ireo ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana, ary izay no hirariana soa ny tanora toa azy ireo ho tonga amin’ny lavitra indrindra hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT