Fampianarana

Mpianatry ny ISDE sy ESPIC Hiresaka momba ny ady amin’ny famonoan-tena


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Nahatratra 18 ny isan’ireo olona namono tena teto amintsika tamin’ny volana martsa lasa teo. Ahiana hitombo hatrany izany vokatry ny olana ara-pitiavana sy ny fahasahiranana ateraky ny hasarotan’ny fiainana.

Mba hahafahana misoroka izany ary dia hikarakara kaonferansa lehibe ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : motivation et aide psychologique ireo mpianatra ao amin’ny taona faharoa manaraka ny lalam-piofanana fitantanana sy ny informatika eo anivon’ny sekoly ambony ISDE sy ESPIC etsy amin’ny 67 ha. Amin’ny Alatsinainy 01 mey ho avy izao no hanatontosan’izy ireo izany etsy ambonin’ny tranom-barotra Shoprite teo aloha etsy Analakely. Ny dokotera Andry Raharison, ilay mpizara ny tsiambarantelon’ny amparahatoka no hampianatra sy hizara ny fahaiza-manaony mikasika izany hahafahana misoroka ny resaka famoizam-po sy famonoan-tena mety mahazo ny olona ankehitriny. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tafiditra ao anatin’ny fianarana ratovon’ireto mpianatra ireto ny fikarakarany hetsika tahaka izao mba hisy fiantraikany eny anivon’ny fiaraha-monina izany no sady ho fanampiana ny mpiara-belona ihany koa.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’izy ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT