Fampianarana

Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany amin’ny ankapobeny fa manomboka amin’ny 14 taona eo ho eo dia efa saika manao izany hany ka betsaka ireo Ray aman-dReny no very fanahy mbola velona. Mba hahafahana manavotra ireny tanora namana ireny dia hikarakara kaonferansa lehibe hiarahana amin’ny Jeneraly Ramakavelo izay mpampianatra sady mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy ny mpianatry ny sekoly ambony ESPIC etsy amin’ny 67 ha. Hifanome tanana amin’izy ireo mandritra izany koa ny mpianatry ny ESC sy ny ISDE Madagascar mivondrona ao amin’ny Dope Club. Afaka rahampitso Sabotsy 03 Jona no hanatanterahana izany ao ambonin’ny tranom-barotra Shoprite Analakely teo aloha. 15.000 Ar ny vidim-pidirana ho an’ny olon-dehibe raha 5.000 Ar kosa ho an’ireo ankizy latsaky ny 15 taona sy ireo mpianatry ny ESPIC. Tanjona ny hanampiana ireo Ray aman-dReny amin’ny fanabeazana ireo menaky ny ainy amin’ny alalan’ny toro-hevitra omena azy. Toraka izany ihany koa ny torolalana omena ireo tanora amin’ny resaka fandraharahana mba hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa eto amintsika izay miteraka fahantrana lalina. Ireo mpianatra ao amin’ny taona faharoa manaraka ny lalam-piofanana fifandraisana, fitantanana ary informatika moa no mikarakara ity hetsika ity raha araka ny fanazavan’i Hoby Kanto Sylvia, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ESPIC.
Pati
Legende : Ireo tanora mpianatra mikarakara ny hetsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT