MPIANATRY NY EPP ETO ANTANANARIVO

Sahirana ara-pivelomana ny 99%


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Sahirana ara-pivelomana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra eny anivon’ireo sekoly

ambaratonga fototra na EPP eto Antananarivo, renivohitra, raha ny fanadihadiana nataon’ny Fikambanana tsy miankina Tokontanibe Malagasy. Zara raha manana akanjo roa sasany hufandimbiasana ao anatin'ny herinandro, tsy misakafo atoandro raha tsy lazaina intsony ny tsy fahampian'ny fitaovana hampiasaina. Tsy mivelatra ihany koa ny sain’izy ireo noho ny tsy fahampian’ny fialam-boly, antony hanaovan’ny fikambanana, hetsika ara-kolontsaina. Ny 30 Aogositra ho avy izao no hanatontosany izany etsy amin’ny « La teinturerie » Ampasanimalo hanampiana ireo mpianatra sahirana.Mpanankato maro no handray anjara amin'izany raha araka ny fanazavan-dRabezato Avotra tompon'andraikitra ao anatin'ny Fikambanana. Hozaraina amin'ny mpianatra ny vola azo rehetra amin'izany amin'ny alalan'ny famatsiana fitaovam-pianarana....EPP miisa 99 eto Antananarivo renivohitra no hahazo tombontsoa amin'izany.
Pati
Légende : Mety hahazo izay fanampiana izay ireo mpianatry ny EPP Analakely ! Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT