Fampianarana

Mpianatr’Ankatso Mitaky vatsim-pianarana miakatra 100%


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Nanao fanambarana tetsy amin’ny fonenan’ireo mpianatra etsy Ankatso II omaly ireo mpianatr’Ankatso izay nosoloin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra amin’ireo faritra miisa 23

eto amin’ny firenena fa mitaky vatsim-pianarana miakatra 100% tsy misy hatak’andro izy ireo. Izao, hoy izy ireo, no fehinkevitra tapakay taorian’ny fivorian’ireo filohan’ny mpianatra amin’ny faritra miisa 23 manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny. Eo koa ny fandoavana an-tsakany sy an-davany izany ho an’ireo mbola tsy nahazo. Takianay ny fampiharana ny didy aman-dalana efa navoakan’ny fitsarana amin’ny fiverenan’ny fonenan’ny mpianatra eny Ambatomaro izay dongian’ny havan’ny olona sasantsasany ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Takianay ny fanamboarana ny “Bloc Amical” izay mbola tsy vita hatramin’izao. Amin’izao fahazoana talen’ny CROU-A vaovao izao dia manantena ny fangaraharaham-pitantanana sy tamberin’andraikitra izahay toy ny fanamboarana ireo zavatra simba miteraka fahasahiranana eo amin’ny samy mpianatra. Mikasika ny fanorenana tsy ara-dalana mirongatra ety amin’ny fonenan’ny mpianatra dia takianay ny fijoroan’ny tena tomponandraikitra marina satria fanilikilihana andraikitra no tena hitanay. Manameloka ny fampiadiana ny samy mpianatra amin’ny endriny rehetra izahay. Iray tsy mivaky ny mpianatra. Miantso ny mpianatra rehetra maniry hipetraka amin’ny Cité ho tonga ny talata 2 aogositra izao mahakasika ny fizarana trano eny Ambatomaro. Ny taona 2012 no nisy fiakarany farany ny vatsim-pianarana. Amin’izao na ny saran-dalana hody aza tsy takatray intsony. Rehefa tsy tafavoaka ny “digitalisation” sy ny tariny dia avereno amin’ny voalohany ny fomba fizarana! Misy mbola tsy nandray vatsim-pianarana ny sasanay amin’izao. Ny sasany nandray tamin’ny voalohany dia avy eo tsy nandray dia nandray indray avy eo. Misy isan-karazany mihitsy ao, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT