Fampianarana

Mpianatra tsy nianatra noho ny grevy Tsy maintsy hampanaovina “rattrapage”, hoy ny minisitra


  • Talata 29 Mey 2018

Tsy maintsy hampanaovina “rattrapage” ireo mpianatra tsy afa-nianatra nandritra ny grevy, hoy ny minisitra Paul Rabary, omaly. Tsy hitovy mihitsy mantsy ny fari-pahaizan’ireo mpianatra 1 % tapaka foana sy ireo 99 % izay nanohy hatrany.

 


 

 Ezahina ny handrindra izany, ho an’ny sekolim-panjakana tsirairay avy mba hahazoana vokatra tsara sy mahomby. Tsiahivina fa efa nisy ny naoty navoakan’ity minisitera iray ity, mandrara ny fidiran'ny mpanao fihetsiketsehana ao anatin'ny faritry ny sekoly raha mbola mitohy hatrany ny grevy. Izany mantsy no mbola tena mampatahotra ireo mpampianatra sasany, ka tsy hasahian’izy ireo mampianatra araka ny tokony ho izy, raha ho an’ny lisea Nanisana manokana. Na izany aza anefa dia nampanantena izy ireo fa hiverina hampianatra amin’izay,   fihetsika tena nankasitrahan’ny minisitra Paul Rabary tokoa. Ho an’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo etsy Analakely  manokana dia hita taratra fa tsy mbola mianatra toy ny isan’andro ihany ny mpianatra, omaly. Tsy nisy anefa ny tompon’andraikitra nety niresaka afaka  nanazava izany sady voarara ihany koa ny fakana sary ny sekoly. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ny raharaha sy ilay fanaovana ratrapage nampanantenain’ny ministra.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT