Fampianarana

Mpianatra tsara sitrapo avy ao Tanjombato Nanolotra boky ho an’ireo niharam-boina tetsy Ambohijatovo


  • Talata 13 Septambra 2022

Boky maro mirakitra fahalalana tsy hita pesipesenina no lasa lavenina tao anatin’ny indray mipy maso teny Ambohijatovo andro maromaro lasa izay.

Ankoatra ny voka-dratsy aterak’izany amin’ny fampianarana sy ny fikarohana dia fantatra ihany koa fa misy fiantraikany goavana amin’ny asa fameloman-tenan’ireo mpivaro-boky niharam-boina izany. Na izany aza mbola misy ihany ireo miahy sy mahatsiaro azy ireny. Tonga nanolotra boky maimaim-poana ho azy ireo ny mpianatry "Groupe For Twelve School" Malaza Tanjombato tamin’ny faran’ny herinandro mba ho fanampiana azy ireo. Boky miisa 600 no natolotra tamin’izany izay fantatra fa nangonin’ireo mpianatra isanisany ankoatra ireo avy amin’ny tsara sitrapo. Izany no natao moa dia mba hahafahana manangona sy manatevina ireo raki-pahalalana entin’ny boky indrindra fa ireo may tokony hosoloina na dia tsy ho tafaverina 100% intsony aza izany. Marihina fa mandray ireo karazam-boky avy amin’ilay tsara sitrapo ihany koa ity sekoly ity raha toa ka misy izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT