Fampianarana

Mpianatra tenim-pirenena Rosianina Maniry ny hanamafisana ny fifandraisan’i Rosia sy Madagasikara


  • Talata 22 Aogositra 2023

Fanampiana amin'ny ankapobeny mba hisin'ny filaminana aty Afrika, indrindra eto Madagasikara,

io no nasongadin'ireo tanora toy ireo mpianatra tenim-pirenena rosianina eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, eny Ankatso, ny alahady 20 aogisitra lasa teo nandritry ny hetsika nataon'izy ireo. Mihevitra ireto tanora ireto fa manana fahefanana hanatanteraka zavatra goavana eto Madagasikara na Afrika iray manontolo mihitsy ny firenena rosianina ka anton'izao hetsika izao, hoy ny fanazavana. Nanehoana izany ny fitondrana afisy maro sy fananganana ny sainam-pirenena roa tonta dia ny sainam-pirenena malagasy sy rosianina ho fanehoana ny firahalahiana sy ny finamanana eo amin'i Madagasikara sy Rosia. Taorian'izay nisy ihany koa ny diabe nataon'izy ireo. Amin'ny maha tanora azy ireo, indrindra fa ireo mpianatra tenim-pirenena rosianina, dia namafisiny fa antoky ny hoavin'izy ireo raha miha tsara hatrany ny fifandraisana eo amin'ny amin'ny firenena roa tonta, eny, na Afrika iraimanontolo mihitsy aza, ary mety hitondra vokatra tsara izany. Tsara fantatra fa efa maro ny firenena nitondran’i Rosia fanampiana toa an’i Mali, Burkina Faso, hoy hatrany ny fanazavana, ka isany nanamafisan’ireto mpianatra ireto fa maniry izy ireo ny hanamafisana ny fifandraisain’i Rosia sy Madagasikara.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT