Fampianarana

Mpianatra sy mpampianatry ny Lisea Nanisana Tsy manaiky ny fametrahana ilay « proviseur » vaovao


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Vaky ihany koa ny ady ao amin’ny lisea Nanisana. Tsy manaiky ny hametrahana ilay proviseur vaovao izay mpampianatra tao amin’ity lisea ity teo aloha ihany ireo mpampianatra sy mpianatra ao an-toerana.

 

 

 

 

 

Tsy azo atao akamakama ny sehatry ny fampianarana, hoy ny solontenan’izy ireo ary tsy azo potehina ihany koa ny zava-bita sy efa natsangana teo anivon’ny lisea Nanisana efa an-taonany maro. Tsy hanohy ny fampianarana mihitsy ireo mpampianatra sy mpianatra raha mbola miziriziry amin’ny fametrahana ilay proviseur vaovao  ireo tompon’andraikitra maro samihafa. Raha ny vaovao farany azo tany amin’izy ireo dia efa nanafoana ny amin’ny fametrahana ity proviseur vaovao hitantana ny lisea Nanisana ity ihany koa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT