Fampianarana

Mpianatra mitokona ao Barikadimy Mitaky ny fialan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Efa ho roa herinandro izao no nitokona ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Toamasina. Mpianatra ao amin’ny taona fahatelo sy fahefatra manaraka ny lalam-piofanana toekarena no nanomboka ny hetsika raha tsiahivina izay nampian’ireo departemanta hafa tosika taty aoriana.

 

 

 

 Tsy nisy mpihaino hatrany anefa izy ireo ka nanomboka nihanahery vaika ny fitokonana ny alatsinainy teo. Nakaton’ny mpianatra ny scolarité ao amin’ny fakiolten’ny haisoratra sy Institut Confucius raha torak’izany koa ny ao amin’ny scolarité Degmia. Nakaton’izy ireo ihany koa ny vavahadibe, hany ka tsy nisy fiara afaka miditra sy mivoaka intsony tao amin’ny campus nanomboka omaly talata. Leo ny tsy fisian’ny vahaolana matotra hatolotra azy ireo mpianatra raha ny fanazavana azo. Lohalaharana amin’ireny ny fomba fampiharana ny rafitra LMD ataon’ny mpitantana ny oniversite ao Toamasina izay nambaran’izy ireo fa tsy mazava. Tsy mazava koa  ny resaka crédit. Takian’ireo mpianatra ny fampiharana compensation générale-n’izy ireo. Tsiahivina moa fa niantso ny amin’ny tokony hialan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina amin’ny toerany ireto mpianatra mitokona ireto nanomboka omaly. Nanambara kosa anefa itsy voalohany fa ireo mpianatra tsy afa-panadinana ireo mitokona ireo noho izany nandray fanapahan-kevitra ny amin’ny fampiatoana ny fianarana ao Barikadimy ny tenany. Ireo mpianatra kosa tetsy an-daniny nanambara fa hanamafy ny fitokonany. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT