Fampianarana

Mpianatra mbola tsy nahazo karatra Haloa faobe eny amin’ny Paositra ny vola


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Efa nalefa any amin’ny Minisiteran’ny Paositra ny lisitry ny mpianatra tokony hahazo ny vatsim-pianarana, izay efa voamarin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES),

araka ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’io Minisitera io omaly. Hisy kosa ny didim-panjakana manokana itambaran’ny Minisitera telo voakasika, dia ny minisiteran’ny fampianarana ambony, Minisiteran’ny Paositra, Minisiteran’ny vola ho an’ireo izay mbola tsy nahazo. Nilaza ho mbola tsy afaka manome daty mazava kosa ny MESUPRES. Ny “scolarité” no mamoaka naoty mikasika izany, fa ny “scolarité” departemanta isan-karazany no mandray an-tànana ny fitakiana tsy fahazoana vatsim-pianarana na tsy fahatafidirana ao anatin’ny lisitra.Ny Paositra no mamoaka ny tetiandro, fa manampy ny tan-tsoroka ahafaha-mahazo ny vatsim-pianarana no ambaran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony. Hisy ny didim-panjakana, hanamorana ny fandoavam-bola elektronika. Nanentana ny mpianatra ho tony ny minisitera satria vaovao io, ary noho izy vaovao, dia mety hisy olana madinidinika ka ny famahana izay no tanjona. Momba ireo filazana fa tsy misitraka vatsim-pianarana ny mpianatra L1, kosa dia aloha faobe na « Paiement de masse » amin'ny PAOMA (Paositra Malagasy) ho an'ireo izay mbola tsy manana karatra, hoy ny fanazavana taorian’ny fivorian’ny Minisitera telo tonta. Manatanteraka ny fampiharana ireo fitarainana maro samihafa kosa ny teknisiana ary manao ny fikirakirana izany sy ny dingana rehetra mifanaraka aminy, hoy ny fanazavana. Nilaza ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, fa mitohy ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny PAT eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny any amin’ny Oniversite amin’ny faritany. Misokatra mandrakariva hoan’ny rehetra ny varavaran’ny Ministera ho an'ireo izay manana fitarainana sy fanontaniana. Manatona avy hatrany ireo teknisiana hitantsika eny amin'ny fandoavana ny vatsim-pianarana raha misy olana na fanampim-panazavana ilaina mba hampitana izany amin'ny PAOMA ho fanatsarana hatrany, hoy ny toromarika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT