Fampianarana

Mpianatra manala CEPE Tsy terena hisotro Covid Organics


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Tsy nomen’ny fanjakana ilay tambavy CVO na Covid oragnics ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy rehetra niditra an-dakilasy nanomboka afak'omaly alatsinainy.

 

 

 Noho izy ireny voasokajy ho mbola marefo no anton’izany raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika Atoa Herimanana Razafimahefa ka omena fahalalahana ireo Ray aman-dRenin’izy ireny. Tsiahivina moa fa saika tonga namonjy ny sekoly avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE tamin’io afaka omaly alatsinainy io. 90 % izany raha kely ho ana sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 4 nanaovanay fanadihadiana. Misy moa ny fampianarana azy ireo nampiditra sy nanala ny aron-tava isan’andro, tohizana hatrany ihany koa ny fanentanana amin’ny fanasan-tanana amin’ny savony sy ilay fanajana ny elanelana 1 metatra ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT