Fampianarana

Mpianatra Malagasy Zarina hifaninana fa tsy beazina hahay sy hikaroka


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Tsy hisy firenena handroso ao anatin’ny fahabadoana sy tsy fahalalana, ka isan’ny mbola mila ezaka ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto, raha tarafina amin’ny zava-misy.

Education is the most powerful weapon we can use to change the world”, hoy I Nelson Mandela andrarezin’ny fahendrena sy ny fahalalana taty Afrika sy maneran-tany. Raha hadika tsotsotra dia hoe: “Ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra azontsika ampiasaina hanovana izao tontolo izao”. Tena haintsika Malagasy ve ny mitrandraka sy mampiasa ny fampianarana sy fanabeazana ho fanohitra hoenti-mampandroso ny firenena? Tena tia mampiana-janaka ny Malagasy, ary tsy misy tsy mahalala ilay fomba fiteny hoe: “ny fianarana no lova tsara indrindra”. Na izany aza, mila fanarenana ihany satria toa notezaina handray izay atolotra, ary hifaninana fa tsy nobeazina hahay sy hikaroka ny Malagasy. Ny hahazo naoty tsara no tena tanjona, ary lasa manimba saina be ilay tarehimarika sy filaharana avy eo. Mirona betsaka kokoa any amin’ny fanatratrana isa ambony sy filaharana, izay toa nalaintsika tahaka tamin’ny Frantsay. Raha mampitaha misafidy ny hampiasa tarehin-tsoraka A,B,C,D,E ny “Anglophone”, raha toa ka mampiasa ny lanjan’isa amin’ny 10 na 20 isika toy ny hoe: 5/20, 10/20, 18/20. Na 12/20 aza ny naoty farany ambony ao an-dakilasy, dia iny izany no voasokajy ho ambony indrindra sy mahay indrindra satria ny filaharana no mikaonty voalohany. Lasa tia mifaninana amintsika samy Malagasy fotsiny isika, saingy ny ankamaroany tsy sahy an’izay raha vao hoe vazaha. Io fomba fiaina sy fampianarana io no isan’ny mahatonga ilay kapa vava ranjo sy ory hava-manana rehefa any aoriana. Toa nozarina hotolorana sy handray hatrany ihany koa isika hoe: ity ny lesona, dia ahoana no hahaizana an’io, tsy dia mifandraika loatra amin’ny hoe: iza isika? iza I Madagasikara? Rafi-pampianarana sy programam-pampianarana tahaka ny ahoana no mety sy mifandraika amintsika? Manana harena samihafa na an-tanety, ambanin’ny tany, an-dranomasina, manana tany tsy hita pesimpesenina azo hamokarana I Madagasikara, saingy tsy haintsika no mampiasa izany ho fanohitra ho amin’ny fampandrosoana. Endrika iray maneho, fa miaina sy mionona fotsiny amin’ny programam-pampianarana lasitra avy amin’ny vazaha isika, natao handray, fa tsy natao hitrandraka sy hikaroka izay tena mahasoa ny firenena. Mila fijerena sy fanatsarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT