Fampianarana

Mpianatra Malagasy avy any Maroc sy Rosia Ho avy amin’ny zoma ny andiany faharoa


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Higadona amin’ny zoma 18 novambra ho avy izao eto an-tanindrazana ny andiany faharoa amin’ireo mpianatra Malagasy nalefan’ny Fitondram-panjakana nandrato fianarana tany Maroc sy Rosia.

Nahazo diplaoma mifandraika amin’ny fari-pahaizana noratovony avokoa izy ireo ary fantatra fa vonona ny hizara ny traikefany sy ny fahaizany eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ireo asa fampandrosoana maro samihafa tokony hotanterahina. Raha tsiahivina kely moa dia tamin’ny Alakamisy 10 Novambra lasa teo no tong any andiany voalohany. Am-polony mianadahy izy ireo notsenain-dRtoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny profesora Assoumacou Elia Béatrice. Nambaran’ny filohan’ireo mpianatra Bezandry Luciano Chan nandritra izany fa faly izy ireo tafaverina soamantsara eto an-tanindrazana ary mbola maniry ny hitohizan’ny finiavana hananan’ny Fitondram-panjakana handefa mpianatra handrato fianarana any ivelany tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fahatongavan’ireo andiany voalohany teto an-tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT