Fampianarana

Mpianatra iray nisy namono Ahiana ny korontana any amin’ny oniversiten’i Toamasina


  • Talata 15 Febroary 2022

Mamofompofona korontana indray ao amin’ny oniversite Barikadimy - Toamasina amin’izao manoloana ny raharaha nahafatesana mpianatra iray avy any atsimo. Raha ny fandehan’ny

tantara dia nijery olona tao amin’ny trano iray ilay mpianatra nisy namono izay nianjera tamin’ny bisikileta teo ivelan’ io trano io ka nolazain’ireo mpianatra sasany fa mpangalatra. Niharan’ny daroka tamin’ny hazo sy vono ilay mpianatra avy any Ambovombe io raha ny tatitra azo avy any an-toerana. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly izy saingy efa tsy tany intsony ny ainy ka nitarika ny fahafatesany. Ny alarobia teo no niseho ity tranga nahafatesana mpianatra tao Barikadimby Toamasina ity. Tsy neken’ireo mpianatra namany anefa ny herisetra nianjady tamin’ny namany io ka omaly alatsiniainy 14 febroary teo dia nampiseho firaisankina ny mpiara-mianatra tamin’ilay maty sy ny mpiavy avy any Ambovombe hatramin’ireo mpianatra avy any atsimo- atsinanana ka nanao fanambarana mihitsy ny amin’ny fitsipahana nahafatesan’io mpianatra io vokatry ny fanendrikendrena azy ho mpangalatra. Efa nisy mantsy ny mpianatra izay voatonitonina izay namono io mpianatra io izay efa nivoka any anatiny tambazotra serasera facebook antsoina FER RONG. Votoatiny fanambaran’ireo mpianatra avy any atsimo io dia ny fitakiana fisamborana ilay nahavanon-doza ary nampiseho mihitsy ireo mpianatra namany tamin’ny alalan’ny fanaovana tapa-damba miloko mena natao teo amin’ny loha. Taoriana nisehoan’ny korontana tao amin’ny campus Barikadimy dia efa nandray ny andraikiny avy hatrany ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ny alalan’ny misitra mpiahy tamin’ny fikarakarana ny razana ilay mpianatra maty sy nanao fandevenana. Mitaky fitoniana sy ny fifandaminana arak’izany ny minisitera manoloana ity raharaha ity. Na izany aza efa misy ny fanadiadina ataon’ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina mikasika ny fahafatesana mpianatra tao Barikadimy. Ho hita eo ny tohiny ny raharaha. ‘
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT